Nahoana kay歌词由Dama&Mikéa演唱,出自专辑《Sariaka (Solo accoustique)》,下面是《Nahoana kay》完整版歌词!
Nahoana kay歌词完整版
Nahoana kay ny kilonga ety no tsy mahay taratasy,
Nahoana kay ny kilonga ety no tsy mahalala lakilasy.
Taratasin'izy ireo dia ny tany amboleny,
Ny angadin'izy ireo no fanoratany eny.
Ny fiainan'izy ireo dia mivelona amin'ny tany,
Ny fonenan'izy ireo tsy mba any an-danitra any.
Nahoana kay ny olona ety no noana fahavaratra,
Nahoana kay ny olona ety no tsy manam-bola fahavaratra.
Ny volan'izy ireo dia ny vokatry ny tany,
Ny harenan'izy ireo tsy mb'izany vola izany.
Ny fiainan'izy ireo dia mivelona amin'ny tany,
Ny fonenan'izy ireo any Ambanivohitra any.
Nahoana kay ny fiainana ety no sarotra hivelomana,
Nahoana kay ny fiainana ety no sarotra hiainana.
Ny tanin'izy ireo dia tany halan'orana,
Ny tanAnan'izy ireo tanAna halan-drivotra,
Ny volin'izy ireo sangisangin'ny havandra,
Ny kilongan'izy ireo mararirary lava.
Ny fiainan'izy ireo fiainana lavitra antsika,
Ny fiainan'izy ireo fiainana any Ambanivohitra.
Ny fiainan-tsika ety fiainana Andrenivohitra,
Ny fiainan-tsika ety fiainana manao ahoana?
Isika no mamatatra an'izany