Tsy Rehefa Mitomany Ihany歌词由R. Mialy演唱,出自专辑《Tsy Rehefa Mitomany Ihany》,下面是《Tsy Rehefa Mitomany Ihany》完整版歌词!
Tsy Rehefa Mitomany Ihany歌词完整版
Mangirangiran-dratsy indray ny andronao
Dia izay vao mba mahalala miantso ny Tomponao
Mpanadinodino foana
Rehefa sendrasendra manoloana ny ady sarotra vao mahalala Azy
Tsaroanao daholo ve ny fifalianao
Dia impiry tamin'ireny no mba nizara ianao
Fantatro hoe fantany fa tsisy avy aminao ireny
Fa fanomezana avy Aminy
Dia eo ianao mifona, manokatra ny fonao
Fa tiako ianaranao androany
Hoe tsy rehefa mitomany ihany
Matetika adinodino ny hatsarany
Raha tsy hoe takona Ilay Ilo, Ilay Hazavana
Mpanadinodino foana
Rehefa sendrasendra manoloana ny ady sarotra vao mahalala Azy
Dia eo ianao mifona, dia eo mitalaho
Fa tiako ianaranao androany
Hoe tsy rehefa mitomany ihany
Tsy rehefa mitomany ihany
vao eo ianao miantsoantso Azy
Mendrika saotra foana Izy any
Na ny fahavelomanao fotsiny aza
Tsy rehefa mitomany ihany
vao eo ianao miantsoantso Azy
Mendrika saotra foana Izy any
Na ny fahavelomanao fotsiny aza
Dia eo ianao mifona, eo ianao mitalaho
Fa tiako ianaranao androany
Hoe tsy rehefa mitomany ihany