Rarikanto歌词由Dama演唱,出自专辑《Sariaka (Solo accoustique)》,下面是《Rarikanto》完整版歌词!
Rarikanto歌词完整版
Rarin-kanto
Arahabaina ianao
Tratry ny andro androany
Misy ny vaovao
Mandrary ny Kanto ny gasy
Arahabaina ianao
Tratry ny andro androany
Inona no hatao
Mandrary ny teny ny Gasy
Arahabaina e
Tonga soa
Arahabaina e
F’iaraha-manana ny soa
Isaky ny vazan-tany (bis)
Misy fiteny vokatry ny tany
Ny rari-teny Malagasy
Mampitambatra tsy ho vaky
Raiso ny gitara
Dia ampanenoy tsara
Tendreo ny gitara ê
Dia hampireveo i Madagasikara
Tendreo ny gitara ê
Fa hampiara-peo i Madagasikara
Isaky ny vazan-tany (bis)
Misy fiteny vokatry ny tany
Ny rari-kanto Malagasy
No hamafàna ny laza ratsy
Raiso ny farara
Zandry Mon’izy fa manam-kambara
Miresaka ny farara
Fa soa iombanana i Madagasikara
Isaky ny vazan-tany (bis)
Misy firesaka vokatry ny tany
Ny rarin-kanto Malagasy (bis)
No hamafàna ny laza ratsy
Raiso ny kabosy
Hampiakarana ny dôzy
Tendreo ny kabosy
Fa tsy ilaina mavesatra ny matôry
Isaky ny vazan-tany (bis)
Misy fitendry vokatry ny tany
Ny rari-kanto Malagasy
No hamafàna ny laza ratsy
Tsofy ny sodina
Amin’ilay mampangovitrina
Miresaka ny sodina
Ny marenina aza manongilan-tsofina
Isaky ny vazan-tany
Misy feo vokatry ny tany
Ny rarin-kanto Malagasy
No hamafàna ny laza ratsy
Raiso ny valiha
Asio feo matavy sy mahia
Trendreo ny valiha ê
Ataovo mankafy ireo tsy tia
Trendreo ny valiha ê
Hiantsoana ny fanahy miriaria
Isaky ny vazan-tany (bis)
Misy fitendry vokatry ny tany
Ny rarin-kanto Malagasy
No hamafàna ny laza ratsy
Arahabaina ê, Tonga soa
Arahabaina ê, F’iaraha – manana ny soa
Isaky ny vazan-tany (bis)
Misy fomba vokatry ny tany
Ny rarin-kanto no hamafàna
ny laza ratsy
Arahabaina ianao
Tratry ny andro androany
Inona no natao
Mandrary ny Kanto ny gasy